ILAY MAMA VAOVAO (tsiolaka)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay Mama vaovao vao nakarin'i Dadatoa manalasala tsy sahala amin'i Neny
fa toa malemy paika...! tsy be tabataba
mahay mandangolango rehefa miteny.
Indrindra rehefa i Dada tsy miasa
ka vory daholo izahay mianankavy
hatramin'ny tongotr'i zandry voasasa
miavosa ny orokoroka sy tambitamby
Ilay Mama vaovao vao nakarin'i Dada
rehefa i Dada miasa ka maharitra ela
lasa mandrigo-bolo sy manongo lava
manao vava ratsy sy matavy an-dela
indrindra raha sendra voateny tsy nahy
Ny hasambaran-tsy ritra tan-tratran'i Neny
Ilay fitiavan-tsy ritra sy hatsaram-panahy
dia opa sy ozona no setrin'ireny
Ilay Mama vaovao vao nakarin'i Dada
tena tsisy toa azy raha imasom-bahoaka
milaika famindra amin'ny zipo lava
fa mangotraka be rehefa mamon'ny toaka
indrindra raha sendra azy sorisorena
toa vara-datsaka ny havinirany
raha tsy matim-bono dia ho mosarena
fa izay tratrany eo no tsy maintsy hamikirany
Ilay Mama vaovao vao nakarin'i dada
tany amboalohany moa va tsy anjely?
fa hay menarana manao saron-tava
na oviana na oviana tsy ahasolo an'i Neny.
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy
Fans:
tsiolaka
