Mandà Gasikara (tsiolaka)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mandà tsy mety hitelina ny rà tsy manan_tsinyIlay nosy vonton-drà sady ampoka tomany
Mifika ranomaso sy ny ngidin’hirifiry
Voalefona maharary ny fòny anatiny any
Mandà tsy mety hanototra ny fatin’ny varira
Fa zanany ireny ,ary tiany sady maminy
́Mandratra ny fanahiny ireo tsiahy mamiravira
Nahabangana firy izay ny zanaky ny akaniny?
Mandà tsy handevenana ireo nofom-birijiny
zaza menavava izay tsy mba nasiana antra
Niriany ho tonga taiza nefa aiza ankehitriny?
Marary mafy Gasikara ,ny fòny mihitsy no maratra
Mandà tsy te ahita intsony fatin-jaza tapa-doha
Na tarain-jaza rano tsy navela ho hary akory
Nalan- taova,norobaina,nalana maso ary fò
ilay sarin-tongotra havia , somisiky ny lefom-pohy
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy
Mpakafy:
tsiolaka
