Mandà Gasikara (tsiolaka)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mandà tsy mety hitelina ny rà tsy manan_tsiny
Ilay nosy vonton-drà sady ampoka tomany
Mifika ranomaso sy ny ngidin’hirifiry
Voalefona maharary ny fòny anatiny any

Mandà tsy mety hanototra ny fatin’ny varira
Fa zanany ireny ,ary tiany sady maminy
́Mandratra ny fanahiny ireo tsiahy mamiravira
Nahabangana firy izay ny zanaky ny akaniny?

Mandà tsy handevenana ireo nofom-birijiny
zaza menavava izay tsy mba nasiana antra
Niriany ho tonga taiza nefa aiza ankehitriny?
Marary mafy Gasikara ,ny fòny mihitsy no maratra

Mandà tsy te ahita intsony fatin-jaza tapa-doha
Na tarain-jaza rano tsy navela ho hary akory
Nalan- taova,norobaina,nalana maso ary fò
ilay sarin-tongotra havia , somisiky ny lefom-pohy
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
23 1
Fans: tsiolaka
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : tsiolaka
Inséré par : tsiolaka
Date : 16/07/2026 16:26
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0159