EKEKO IZAO (Tsitohaina Mamitiana)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
EKEKO IZAO Eto anatrehanao ry Ray
No anekeko izao:
Hanompo anao mandrakizay
Izaho dia ho anao
Fitiavana ny namana
No ekeko izao
Na ny ory na ny manana
Dia mitovy izao
Ho tia ny fireneko
No ekeko izao
Ny antsony dia reko
Miantso ahy izao
Ny tena sy ny saina,
Sy ny Fanahy
Hibanjina ilay aina
Nomenao ahy
--------
Lien:
Catégorie :
Fiderana - Aingam-panahy
Commentaires
andrinaivopaul2016
(
28/10/2017 11:08)
Marina ve zan ralah