FANANTENANA (Tsitohaina Mamitiana)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FANANTENANANy fanantenana no afo mandoro
ny fanadinoana izay fatra-pijoro;
Nariako ny foko tomanin'ny tiako
ho endrika nofy hosangisangiko
Fitiavana mamy tsy foina hijery
matoa mitomany ny fo manirery..
Tobahako saona ny herim-pitia
mba ho haharitra ho doria
Faran'ny sentony felan'ny vony
Manakoako ny fanadinoany
Hery mitsotra no tsinjoko foana
Maka ny lasa tsy tsarotsaroana!
--------
Lien: