Ilay foko adala (Ventso ny nofiko (Thierry))

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay foko adala

Adala ianao ry foko
Adala ianao,tena adala
Niaina ireo toloko
Adala fa tsy mba nahalala

Olona manana ny tiany
no injao niantsapazana
Tsy ianao ilay olona niriny
fa nataony ho mpitazana

Tsy fantatrao fa ilay silakao
hay izy efa manana ny azy
Ianao nahatoky fa tsy kilalao
Ny azy nataony vazivazy

Nahatoky tena tsara
fa hiaraka ho doria
Nanantena ho alitara
Hay tojo laingam-pitia

Nizaka ny mafy tsy fidiny
niaritra ny ratra sy ny jaly
Nigoaka sahady ngidiny
nanditsoka nampitomany

Ry foko tena adaladala
tsy mba fantatrao marina
ilay nantsoinao hoe malala
Nandetika anaty antsana lalina

Ry foko ôh, ampy izay
ataovy veloma ilay tinao
ataovy mandrakizay
Fa izy efa tsy tia anao

❣️Ventso ny nofiko❣️
RANDRIAMBOLOLONA Patrick Thierry 20/01/24
--------
Lien:
271 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Ventso ny nofiko (Thierry)
Inséré par : Ventsonynofiko
Date : 28/01/2024 04:04
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015