Ilay foko adala (Ventso ny nofiko (Thierry))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay foko adala Adala ianao ry foko
Adala ianao,tena adala
Niaina ireo toloko
Adala fa tsy mba nahalala
Olona manana ny tiany
no injao niantsapazana
Tsy ianao ilay olona niriny
fa nataony ho mpitazana
Tsy fantatrao fa ilay silakao
hay izy efa manana ny azy
Ianao nahatoky fa tsy kilalao
Ny azy nataony vazivazy
Nahatoky tena tsara
fa hiaraka ho doria
Nanantena ho alitara
Hay tojo laingam-pitia
Nizaka ny mafy tsy fidiny
niaritra ny ratra sy ny jaly
Nigoaka sahady ngidiny
nanditsoka nampitomany
Ry foko tena adaladala
tsy mba fantatrao marina
ilay nantsoinao hoe malala
Nandetika anaty antsana lalina
Ry foko ôh, ampy izay
ataovy veloma ilay tinao
ataovy mandrakizay
Fa izy efa tsy tia anao
❣️Ventso ny nofiko❣️
RANDRIAMBOLOLONA Patrick Thierry 20/01/24
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Ventso ny nofiko (Thierry)Nampiditra : Ventsonynofiko
Daty : 28/01/2024 04:04