Izato hakantonao (Randja)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izato endrikao sariaka miramirana aok'izany
toy ny masoandro mibaliaka vao maraina
ireo tsikinao tsy fahita, marevaka tsy lany
dia andro hianteherana, hafanana handrandraina

Izato famindranao misongadina, somary midoladola
no nisintona ny masoko, nanaitra ny ao am-po
ireny fiteninao miangoty, somary miangolangola
toa mampirehitra ny anatiko, ankafiziko avokoa

Izato bikanao tsara rafitra, kanto dia kanto
toa tsy afaka ato andohako, toa tsinjoko eny foana
irony dongidongy sy anjonanjona, ravahan'ilay feonao milanto
mbola rehako, mbola hitako eo anoloana
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy - Fitiavana
1498 1
Fans: voady
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0122