Tsiaro anao (Randja)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mahatsiaro anao aho dia mivetsoireo tantaram-piainana efa vita
fa toa fararina sy misento
satria ianao nandao tsy hita
Mahatsiaro anao aho dia mitamberina
ireo toky sy dina nifanaovana
nilaozanao aho vao latsa-nenina
tamin'ireo ditra sy zava-bita nifandaozana
Mahatsiaro anao aho fa tokana irery
mitoloko feno ratra ao anaty
fa osa sy malemy tsy ampy hery
noho ilay dona izay tsy tanty
Mahatsiaro anao aho dia miantso
ny hiverenanao eto anilako indray
mba hanavao sy hanakanto
ilay fitiavantsika tsizarizary hatrizay
--------
Lien:
