FITIA TSIAMBARATELO (VOLAFIHA)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tianao aho kanefa indrisy!Nefa indrisy fa ireo misy
Ireo misy indreo mibahana
Indreo mibahana
Manakana ilay fahalalahana.
Tiako ianao kanefa moa
Nefa moa ireo taloha
Ireo taloha tsy ahafaha-manoatra
Tsy ahafaha-manoatra,
Tsy ahafaha-mitroatra.
Tianao aho dia tiako ianao
Tia, kanefa hatramin’izao
Hatramin’izao mampalahelo
Mampalahelo fa
Fitia tsiambaratelo.
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana