Ampidiro aloha ny tenimiafina
MILA ANAO (VOLAFIHA)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha mila namana hitafana aho, Dia ianao no toa ilaiko,
Mitady namana hizarana
Dia ianao no ato an-tsaiko,
Ny hafaliana mba anjarako
Tsy feno raha tsy misy anao
Ny aferon’ny tantarako
Leoko raha vao eo ianao
Rehefa injay aho ts’isy atao
Toa tratry ny fanainga foana
Malo-dava tsy eo ianao.
Tsy misy iavahako amin’ny moana.
Santionany ireo tsiky, sento
Fa raha bangoina iray dia izao
Mba hanjarian’ny fiainako eto
Dia mila anao ho namako aho.
--------
Lien:
Catégorie :
Namana
