Fisarahana (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fisarahana Ny hafatra nalefany : ampy izay malala a,
Aleo hifarana eto ny amiko sy ianao,
Hatreny ampanombohana, izaho aho vao mahalala
F'hay mavomavo lamba sy mahantra loatra ianao.
...
Zary tsy voafetrako ny sento sy toloko,
Ny ratra izay navelany ka mahatonga jaly,
Eny e, nesoriko ny sabatra natsatony ny foko,
Dia niezaka aho nitraka, nitsiky fa tsy faly.
Ny navaliko azy i? Ho teboka aminay:
Mirary soa malala !
Vonjisoa ANDJANIRINA
28/03/2026
--------
Lien:
Catégorie :
Alahelo
Fans:
Vonjisoa-Andjanirina
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecterA propos
Auteur : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)Inséré par : Vonjisoa-Andjanirina
Date : 14/08/2026 08:55
