Hafatra (Sento miampita) (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry volana ô midina, meteza mba hafarako
Hampita izany sentoko ho any lavitra any.
Miangavy anao, tsidiho, lazao ilay malalako:
Fa malahelo loatra ny foko ka tomany.

Ry rivotra ô lalovy, ny fony manadino;
Mba tantarao kely aminy izao fijaliako izao:
Maratra loatra hoe ilay fony fa adino.
Ampy izay ndehana! Misaotra indrindra ano.

Ry alina ô bitsiho, hanako anaty sofiny
Ny feon’ny ranomasoko; tomany fa nilaozany.
Ataovy sary velona hiseho anaty nofiny
Izao tafatsika izao, aza afenina aminy.

Ry aizina ô rakofy, tsy ho hita ety an-tany
Ny foko feno sento, f’angamba ampy izay;
‘reo ora sy minitra mbola hampitomany,
Vonoy miaraka amiko, hidio mandrakizay.
Vonjisoa ANDJANIRINA (11.01.23)
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo
136 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0168