Ilaozy (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny antsoantsonao ry lasa mpietraketrakaFeo tsy tiako ho fantatra, tsy tiako ho re akory,
No manafika ny akaniko, tsy aroso dia mipetraka,
Ka manao an-keriny ny foko anaty tory.
Fa inona no tsiniko ary inona no trosa
Tsy efako aminao sy ifandraisatsika,
Raha toa ka misy izany, ho efaiko nefa kosa,
Aoka hisampana eto ny lala-diavitsika.
Ry lasako ô, valòna! Any anaty diariko,
Aleo mba ny hoavy sisa no iara-dalana amiko,
Raha manina any ianao, any misy sariko,
Ampy izay, 'ndehana, ilaozy ity akaniko.
Vonjisoa ANDJANIRINA (29/11/2025)
--------
Lien:
Catégorie :
Alahelo
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecterA propos
Auteur : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)Inséré par : Vonjisoa-Andjanirina
Date : 14/08/2026 09:15
