Malahelo ny any (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha misy fahanginana !
Misento samirery ilay olon-tia anao,
Mamisavisa irery ireo toerana sy Ora
Nihaonan-tsika farany, fa mahatsiaro anao
Any lavitra any, ka tsapako ho tsy mora

Ny mandany ny Ora iray
Miadana fisosa tsy eo anilanao,
Ka mampanganohano ny foko mbola tia
mirediredy foana; milaza ho tia anao!
Ka mampivondron-drahona ny lanitro aty,

Ka indro mampijaly,
Ny ora izay mandalo sy tsy voarafitra isa
mangiana dia mangiana, toa akon'ny tomany,
'ty singan'irery toa resimbisavisa
ka indro fa misento fa malahelo ny any.

13 -04 -2024.
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo
137 1
Fans: Lasyiray
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016