MBA TSIDIO (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
-Ho avy ny andro iray, raha mahatsiaro ianao
Dia mba hanatero voninkazo iray, eo am-pasako eo
Ataovy loko fotsy, fa io no hany tiako
Dia ho tsapanao fa efa tapitra ela, ny ora niadiako
Ny ora niaretako, fa efa sambatra aho, nandresy tamin'ny ady
Reo ora fisentoana, tapitra sahady

-Raha malahelo ianao ka te mba hitomany
Dia aza afenina ahy, fa tongava ihany
Eo am-pasako eo
K'ataovy am-po mangiana, fa aza asiana feo
Satria tsy ho reko intsony
Dia ataovy toy ny senton'ny ory sy mangaina
Satria 'lay foko tia, tsy izy intsony no ao, fa nintsana efa maina

-Kanefa ho reko ihany
Raha mety mbola misy, iray tadidinao, irony teny mamy
Dia tongava ihany
Dia anatero tsiky, an-dray segondra monja, akaiky fasako eo
Ka aza asiana sento na karazana toreo
Fa efa fantatro ela tao antsaiko tao
Rehefa izao no maty, dia hitomany ianao
Nefa aok'izay
Hametraka veloma aho fa any ankoatra indray.


Vonjisoa ANDJANIRINA.
--------
Rohy:
495 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149