''ANY IZAO IANAO" (Zavona Rakoto (AQUARIUS))

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tato an-tsaiko tampoka,mitsiky aho mahatsiaro,
Mbola any ve ianao 'lay saropiaro,mahita ahy milalao?
R'ikala namako iny,lehibe isika izao,
Ho hafahafa angamba ny fihaonana raha misy! kkkkk

Mpivahiny ise,mpiondrana niserana!
Sakaizanay mavitrika fony teto an-toerana,
Toa tsy tandritandriko ny misy tamin'izany,
Tia ahy hono ise? sa mba mananihany?

Nanomboka niraikitra tato an-tsaiko foana,
hoe tia kanjo ise! indrindra raha mihaona,
Nodiako tsy nosainina,norangitiko aza!
Hihi,mahatsikaiky ilay fitiavan-jaza.

Dila ny vakansy,nierina ny taona,
Indro tonga ise,saingy toa nimoana,
Niova tara-tsiky,toa tsy mpankafy (intsony)
Teo vao tena tsapako fa hay izaho no tia,
Sinaingy tara loatra f'ise hoe hanambady.

11:24 Zavona Rakoto 21 Janoary 2026
--------
Lien:
Catégorie : Embona - Fitiavana
96 2
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0112