Ampidiro aloha ny tenimiafina
"" FAMATO"" (Zavona Rakoto (AQUARIUS))
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nadabony ihany ialahy,Nomeny tsiky farany dia nosoloiny toerana,
Nataony ho mpiserana'zay misy mba kinolo,
Any izao ialahy,Kotsan-dranomaso,tomany fa voasolo.
(Nembohany tongolo)
Ny fon'ialahy anefa mba reko tato ho ato,
Nidoboka tsy niato,niritsoka mba ho azy,
Nanaiky ho toy ny vazy hasiany voninkazo,
Ny fony anefany ato,nambesany FAMATO.
(VARAVARAMBATO)
Zavona Rakoto
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy - Fitiavana
