"HAIN-TENY" (Zavona Rakoto (AQUARIUS))

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lehilahy: Tiako ianao!
Vehivavy: Fa ianao tsy tiako!
Lehilahy: Tiako ianao mihoatra ny tenako.
Vehivavy: Ny tia mahay manaporofo!
Lehilahy: Takariko ho anao ny volana.
Vehivavy: fa tsy mamiko noho ny tantely,
Lehilahy: Kely kizintina loatra ireny ka manao saro-po manan'anaka.
Vehivavy: Tsy ho azonao aho raha izany!
Lehilahy: Trandrahako ho anao ny diamondra.
Vehivavy: tsy teliko noho ny ronono.
Lehilahy: Zavatra be misy tandroka ve ka tsy hanoto raha sendra voatery!
Vehivavy: Tsy ho azonao aho fa hafoizo!
Lehilahy: ka ho sokina ambody voaroy ve reroy! avela hahamanina lava,alaina tsy takatry ny azo. fa raha hanana ihany aho ka hanana dia omeko anao izay mananentiny hoenti-mamangy rafozana.
Vehivavy: Tsy izay mananentiny loatra [...[ fa ny vady mitsinjo rafozana dia isan'ny teliko koa...
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy - Fitiavana
216 1
Fans: ZavonaRakoto
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0119