"" HOAN'I YALY"" (Zavona Rakoto (AQUARIUS))

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Omaly ianareo no nifanome laharana,
Omaly koa 'nareo vao mba tafara-dalana.
Eny e,efa ela no nifampitady,
Kanefa dia indrisy,ise Kay manambady.

Nisy taratasy miforitra ankivalo any ampaosiny any,
Dimy taona izay no saika omeny anao f'indrisy tsy izany.
Tsy nomeny mihitsy,natahotr'izy Mantsy sao hanam-pahavalo.
Ny antsany ho anao no nataony tao ka zary tononkalo.

Ilay omaly teto no saika namborahany ny rakitry ny fony,
Niezak'izy ho tony,Dia nanakipy maso tsy nahalala akory izay menatra intsony,
Nitehatehan-tratra,tsy nanapo akory izany hoe haratra,fa revo sy nitoto.
Kinanjo hoe ianao,misaotra re Sinaingy efa aho mana-tompo.
Dia tapina ny daominy,

Raha ny sitra-pony dia hanaovany amboletra ny rirotra anao,
Ny tao am-pony tao nitraotra dia nitraotra,
Tiany ianao kanefa,tena hoe nekeny,
Tena nobabeny'zay Jaliny àminao fa.....
Izay no fahafahana.

Zavona Rakoto
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy - Fitiavana
98 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0177