"i MADAGASIKARA" (Zavona Rakoto (AQUARIUS))

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zandry a,
Eto izao isika manonofy manitra,
Mivavaka,mitolona sy miantso an'Andriamanitra.
Miradarada fatratra,miantoraka ampanahy,
Hoe zanahary o! Tahio ny taninay!

Ny zanakay mandimby tsinjovy sy tantano,
Omeo izay sahaza,vokiso sy fahano,
Ataovy vanon-k'olona,ho tsara fiafara,
Ataovy ela velona eto Madagasika!

Ny loza anefa indrisy, ny sasany etsy an-daniny
Miliba sy mivoky, mandrapaka izay laniny;
Lay Madagasikara mba nentinao ambavaka?
No efa izao trandrahany,nasolony firavaka
(ho amidy atsy ho atsy)

Fa ny tena loza ? ireto Malagasy:
Efa vita lisitra anaty taratasy,
Nadika ho entam-barotra miaraka amin'ny taniny;
Tsy afaka mitroatra,Voageja anaty akaniny!
(Malagasy monina eto Madagasikara)

Zavona Rakoto 032364 290000102026
--------
Lien:
Catégorie : Tanindrazana
19 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0114