"ILAY TANDINDONAO" (Zavona Rakoto (AQUARIUS))
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miezaka aho mamafa,miezaka aho manary,Ao ampoko mihitsy aho no sahy mandoro sary;
Fa...tsy levona doroina ilay tandindonao.
Injay ianao manaloka ny eritro efa lao!
Navalako amparihy,naleviko an-tanety...
Ny saiko mihitsy angamba no efa ka tsy mety,
natorako avokoa n'izao sy ny izao;
Fa...ny any amparahatoko misarintsary anao!
Mamangy anaty nofy.
Triariko ny pejin'ny foko fahagola
F'izaho mihitsy angamba no resinao sy tola,
hatrami'izay rehetra kasaina mba hatao,
Dia io fa hialoavan'ilay tandindonao;
Manjoy ny eritreritro!
Zavona Rakoto 004..0003...0200206.
--------
Lien:
Fans:
ZavonaRakoto
