Ampidiro aloha ny tenimiafina
"KIVY AHO" (Zavona Rakoto (AQUARIUS))
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zandry a,Kivy aho lesy angamba a!
Angamba tsy eto an-tany aho no tokony hoe hiaina.
Ato angabone aho izao no makamaka saina,
Dia lasana ambiroa manivana fotoana,
Na any anaty nofy aza aho,mijalijaly foana.
Ho kivy ihany aho 'ngamba!
Misy sipakely any mba tikotiko izay,tsy mba mpila ady.
Fa ny tena loza? Efa manam-bady.
Vao t@ telo volana no vita fisehoana sy soratr'izy ireo!
Voalazany hanikeo.
Kivy aho lesy a.
Zinarako aminao fa tamin'ny herinandro anie
Ka nisy toy izany e,
Lazaiko fa mitsapa na mba nanaihany izato Kiala Kely,
Izy aloha Dia manja e! Tena hoe anjely.
Niresak'izahay,fa nony kelikeky,
vaky loharano ny tafa nifanaovana.
Tia an'ahy Ilay SIPA.
Nitsikitsiky kely aho,f'ity no nofy tokana ela nokinasako
Tena hoe tanteraka.
Kanefa Dia indrisy! Kay ity ranamana
sipa efa niteraka.
Tena kivy Aho lesy a!
Tsy izany irery mantsy no zavatra niseho.
Fa tamin'ny telo volana dia nisy indray zavavy tsotra kely izay
Fohy aloha Ilay izy e,
Fa tena Zaza Hendry tamin'izay vehivavy hitako hatrizay.
Tapa-bolana izy no nihaona tamiko sy niserasera.
Dia saika nokaotiko,kinanjo tena loza,sipa hanao masera.
Loza tena loza!
Kanefa omaly izao nisy hitako any ho any,
Tsara noho ny tsara raha Mbola eto an-tany.
Tovovavy Kely 20 taona angamba raha farany mihoatra,
Sady manan'asa,mitazona birao.
Falifaly ery ny tao anaty tao fa nisy valiny ihany vavaka nataoko.
Nanaovako arozazy,omaly indray aho mantsy vao mba nihoerahoera
Kanefa vaovao ratsy,henoko eto izao! nilaza tamiko izy fa maman célibataire.
Kivy aho 'ngamba lesy a!
Zavona Rakoto
--------
Lien:
Catégorie :
Rediredy
Commentaires
Azrael666
(
03/02/2026 10:12)
sendra ny taolana foana zany nareo!
