"MAHAGAGA'' (Zavona Rakoto (AQUARIUS))

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hitanao ny tsara,fantatrao ny mety
f'izay tsy mendrika no toa lalaina,
Ny saina mitadidy,fa ny fo tsy misafidy,
Te hiezaka fa tsy afaka...

Jinerinao ny lasa,faritanao ny ampitso
Kanefa ny anio tsy fantatrao,
Fo mpamaly faty potiky ny ankaso,
No hibanjinanao ny hoavy,

Mahagaga,te hitroatra kanefa voatana
tsy afa-miala...
tadidio fanahy mamatotra io misy anao io,
Ny herim-po,ny herin-tsaina sy izay eto an-tany
Tsy haharesy izany...
Fa Jesosy 'lay tompon'ny mandrakizay,
tompon'ny fanahy...
Izy irery ihany no hanampy anao handresy izany

...Tononkiran'i Zavona Rakoto...
--------
Lien:
Catégorie : Tononkira
45 2
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0118