"AN-TSOKOSOKO" (Zavona Rakoto)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny mantsy ianao,misambatra eny an-tsoronyMankamamy fatratra manoroka ny molony,
Tsy mahatsinjo akory ny ritsoky ny foko!
Ny hany fara-heriko,mitia an-tsokosoko.
Miventso anao mangina.
isak'alina aho,mijohy an-dranomaso,
indrisy lahy ry foko lonjitry ny ankaso!
F'ilay sakaizanao lalaina sy niriana?
Efa sambatsambatra miaina fifaliana.
Ka tiava an-tsokosoko!
Kanefany aho tsy kivy,mihitsy hiala nenina,
Raha toa ka tsy nahomby dia arafitro ny penina.
Dradraiko anaty hira,ataoko mafy ho reny,
Fotsiny mba fantany fa ho azy hay ilay teny.
Hoe Tiako an-tsokosoko!
Zavona Rakoto 23 martsa taonjato faha 21
--------
Lien:
Catégorie :
Eritreritra mandalo - Aingam-panahy
