"AN-TSOKOSOKO" (Zavona Rakoto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny mantsy ianao,misambatra eny an-tsorony
Mankamamy fatratra manoroka ny molony,
Tsy mahatsinjo akory ny ritsoky ny foko!
Ny hany fara-heriko,mitia an-tsokosoko.
Miventso anao mangina.

isak'alina aho,mijohy an-dranomaso,
indrisy lahy ry foko lonjitry ny ankaso!
F'ilay sakaizanao lalaina sy niriana?
Efa sambatsambatra miaina fifaliana.
Ka tiava an-tsokosoko!

Kanefany aho tsy kivy,mihitsy hiala nenina,
Raha toa ka tsy nahomby dia arafitro ny penina.
Dradraiko anaty hira,ataoko mafy ho reny,
Fotsiny mba fantany fa ho azy hay ilay teny.
Hoe Tiako an-tsokosoko!

Zavona Rakoto 23 martsa taonjato faha 21
--------
Rohy:
151 2
Hevitra mandeha
NofenoinaNatiora ( 26/03/2026 08:06)
Tiavo an-tsokosoko Ary e, 😅😘
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zavona Rakoto
Nampiditra : ZavonaRakoto
Daty : 24/03/2026 06:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0123