Ampidiro aloha ny tenimiafina
"MANTSY" (Zavona Rakoto)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manentohento indray ny embona ato ampoko,Mandoro an-tsokosoko,mitaina ka mitaina.
Eny sombinaina,matetika tsikaritro;
Mahatsiaro anao aho ka zaraiko fa tsy haritro!
Mangirifiry kely...
ny miaina samy irery ny tsiaron'ny andro dila,
Katry anaty saina aho ka toa mivaralila;
Domelina totaly!
Raha teto izao ianao dia nisy mba namaly...
Ny kalo izay nataoko! misento aho mahatsiaro.
Zary mifangaro anaty fanenenana ny antsako eto anio,
Eto vao mazava,hay ka taminao ilay fitiavana madio;
Niriako hositrahana.
F'izao no fiolahana,any ianao izao any nahatratra nofy!
F'izaho sy ny eritreritro marary ka farofy...
Mitomany tena! (ato)
Zavona Rakoto 13 aprily 2026 taonjato faha 21
--------
Lien:
