"TETO IANAO OMALY" (Zavona Rakoto)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Teto ianao omaly,
jenitra nitana ny era nitafana
navezivezin-kevitra tsy te ho resilahatra,
fa matotra ara-tsaina.
Eny sombinaina,marina ny anao!

Na aza hiady voarotra ny ao anatiko ao,
ianao irery ihany no fo an-teny mierany.

Teto ianao omaly,
Nanevaheva tanana hametraka veloma,
Niteny ho tsaroana hipaka anaty tartrako.
Na aza koa tsy fantatro ny tohiny atsy afara,
dia amiko izy ireny aina sy tantara.

Teto ianao omaly,
Nanaovako ady varotra tsy vita ora tokana.
Na aza nisamontana nandray ny tananao hihazona ny tanako...
Dia niato teo ny lalako,may ny faladia.
Nangasihasy teo ny teny hoe doria niarahana nanefy

Teto ianao omaly,
Nitaky trosa faran'ny ora nangalariko (nalaiko taminao)
Nandrary an-tsaina faran'ny endrika sy sariko.
Dia naka sisin-dalana hanampy ny mpitsara,
avy eo nanipy baolina ho eto ampela-tongotro.

fa kosa tsy haninona,tozoy ny lalanao;
fa efany aho manaiky

Zavona Rakoto 03 septambra 2023
--------
Lien:
216 1
Fans: ZavonaRakoto
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0142