Nampiditra : ZavonaRakoto
Daty : 15/11/2024 05:18
Nijery : 37
Tononkalo: 1 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

Zavona Rakoto

Tolojanahary SANTARINIAINA no tena anarany ary teraka tamin'ny 26 janoary 2001 (26/01/01) tao Antananarivo izy.Mpikambana tao amin'ny Malagasy Manoratra Vakinankaratara izy ny taona 2023 fa talohan'izay dia efa mpanoratra -Tantara an'onjam-peo
-Tantara foronina
-Sombin-tantara
-Hira ary tononkalo.
NY TANTARAM-PIAINANY
>Teraka tao Antananarivo ny tovolahy ary tao ambojanahry Antehiroka no nahabeazany ny fahazazany. Ny taona 2009 no nitodi-doha hihazo an'i Vakinankaratra ny diany ( tany nihavian-dreniny). tao indray no namolavola azy ho poeta sy Mpanao Kanto.
Sivy (9) taona izy no nisaraka ny Ray aman-dreniny ary manana anabavy 2 sy rahalahy 01 izy (lahimatoa izy) ary taizan-dreniny izy.
Mpiasan'ny Traveaux tao Ambalavato ny raibeny (rain-dreniny)

NY LALANA NODIAVINY
Ny taona 2021 izy no nahazo ny diplaoma bakalaorea tao amin'ny ( LARA) ary nisampana tamina lalam-piofanana momban'ny serasera sy fifandraisana izy.
taorian'izay dia tafiditra hilalao sary mietsika ranamana izay niaraha-niasa tamin'ny Federasionan'ny fikambanan'ny olona jamba eto madagasikara.
taorian'izay dia niasa tamina onjam-peo tsy miankina anankiray izy (XL radio Antsirabe) ary taorian'izay dia Magasinier tao amin'ny AQUARELLE Madagasikara izy.

NY TARA-KEVITRA NOVOHIZINY
> Ny fitiava-tanindrazana,Alahelo,embona sy hanina,Fitiavana,Fitiavan-janaka,Taraina,Fahadisoam-panantenana,...
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/zavona-rakoto
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hevitra farany

Mbola tsy misy hevitra

Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144