HO ANAO (ADR)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO ANAOHo an'iza ny adintsaina!
Ho an'iza ny ahiahy
Moa ianao ry sombinaina
Mety ho sahy hamadika ahy!
Ho an'iza moa ny vazo
Ho an'iza itony kalo
Moa tsy hoa anao ry voninkazo
Rehefa iny aho fa mahatsiaro
Ho an'iza koa ny sento,
Ho an'iza ny tomany,
Moa tsy ho anao izay tsy eto
Any ambadimbadika any.
ADR
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana