FITIAVAKO ANAO (Aina Nirina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITIAVAKO ANAO

Miboiboika ato am-poko ilay onjan’ny fitiavako,
Tsy voatanako ny jojony ka dia indro voalazako :
« TENA TIAKO IANAO akia, mba ekeo re rahavako,
Avia honenanao ny foko ka mba raiso koa ny tanako… »

Tsy maninona tsy akory raha toa ianao tsy ho ahy,
Fa mba avelao hisidina sy hiainga ny fanahy,
Dia eny ana habakabaka eny no hiotazako anao :
Eny an-tsefan-draho-nofy ao anivom-poko ao…

Fa raha vonona ianao ho tanteraka ny nofiko,
Ka ho tia ahy ianao, ny molotrao hotohofiko,
Dia izay no paradisako sady hasambarantsika,
Ka hanjohy ny lalantsika ilay volana baliaka…

AINA NIRINA
(25 desambra 2014 tamin’ny 14 :17)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2037 0
Hevitra mandeha
leretraitantsirabe2 ( 30/12/2014 17:02)
Mafinaritra fa tohizo eh!
simonrasamibenarivo2015 ( 08/01/2015 13:07)
Tena tsara eh!!!! Sad mah kasika ana mints!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Aina Nirina
Nampiditra : AinaNirinaPoeta
Daty : 27/12/2014 21:52
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104