Ampidiro aloha ny tenimiafina
IANAO RY AINA (Aina Nirina)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IANAO RY AINAAo anaty nofiko,
Ianao no tohofiko,
Maraina vao mifoha,
Ianao no ao an-doha,
Ny androko tontolo,
Tsy misy mahasolo,
Fa ianao ry Aina,
Ianao no ao an-tsaina.
Ny vetsovetsom-poko,
Ianao no tsaroako,
Ny kalon’ny fitiavako,
Dia ho anao rahavako,
Ny tsiky sy tomaniko,
Ny halako sy mamiko,
Am-pelatananao
Ka asakasakao.
AINA NIRINA
(20/05/14 tamin’ny 13 :20)
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
