Aleoko ho nofy (Andrimaranitra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aleoko ho nofy

Mitia Anao aho kanefa
Aleoko izany ho nofy
Satria amin’izany ny foko afaka miantefa
Tiavinao ka tsy avelanao ho farofy

Hitanao aho kanefa tsy jerenao
Izato foko efa tsy tamana an-tratrako ao
Mba te ho anilan’ny anao no hitampify
Nofy izany hoy Ianao mandositra lava midify

Aleoko tokoa ho nofy raha izany
Satria amin’izany isika hifampitantana
Mampitovy tsiky tsara tantana
Ho saropiaro avokoa na ny lanitra na ny tany

Ny fitiavako hoy Ianao toa nalain-tahaka
Ka ho nofy hoy Ianao raha hambabo Anao
Aleoko izany na tsy matory aza manofy Anao
Amin’izany isika mifankatia mandramaty tsy misaraka

Any : Ny molotro mafana ho eo Imolotrao mazána
Vao mbola nofy aza nefa Ianao ry Lala
Dia efa mahalasa adala.
--------
Rohy:
2097 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098