ANY AMINAO NY ERITRERITRO (ANDRIAMASIMANANA Andry)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
lasam-binany ny saiko mankany,
manidina lavitra tsy ety an-tany,
toa varimbariana, sy zary sondriana,
maniry mafy ho akaikin'ny tiana,

izy any ve ? mba misento koa,
mety mahatsiaro sy manina am-po,
fa zavatra iray no tanjona irina,
mizara fitiavana akaikiny tiana,

enga anie, mba ho tafatambatra,
eny amin'ny rivotry ny habakabaka,
ny fo roa hifaningotr'iray,
ka tsy hisaraka mandrakizay,

izany lehiretsy no mba faniriana,
fa maha-te... ho tia... ilay tiana sy tiana,
fa manamaivana ny enta-mavesatra,
ny fatoran'ny gadra manjary malefaka.

(ANDRIAMASIMANANA ANDRY (22/09/2016) fb andriamasimanana andry groupe : sombin-tantara sy tononkalo)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1847 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011