MPANAO BIRIKY (ANDRIAMASIMANANA Andry)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MPANAO BIRIKY

1) dia niainga maraina ity tovolahy,
namariparitra tany ankiray,
natsatotsatony teo 'zany peniny,
ka tsy nanaiky izy raha tsy afa-nenina,

2) ningainy kely ary 'ty pataloha,
ka nisabaka ny tongony roa,
niondrika kely izy sady nandray,
ka nanainga ambony ny sandriny indray,

3) natontany mafy ity tsy afa-miteny,
ka nazerany teo, ary tena nalemy,
afak'izay dia nosafosafoiny,
nataony amin'ny toerana tena nitony,

4) nilamindamina nivelabelatra,
mitovitovy amin'ny fiarakaretsaka,
natosiny aloha ny avy ato afara,
ka indro fa reraka ny bandy akama,

5) nahahany teo aloha, izato entana,
fa ny tenany noana no sady nikepaka,
izy amin'izany tsy naharay tena,
fa sanganehana sy nihenahena,
niandry ilay kaly, aminy vary sy hena,

6) ny any an-tanana mbola devoir,
mampiditra omby nivoaka ny vala,
ny tsaka rano sy maka kitay,
mampiditra akoho sy mitoto sakay.


IZAY NY AMIN'INY FA AZA MIERITRERI-DRATSY EO IANAREO A! ANDEHA ARAHINTSIKA NY TANTARA MIFANDRAIKA AMIN'IO MBA TSY HILAZANAREO SY HIAMPANGANAREO AHY HOE ITY ANDRIAMASIMANANA ANDRY ITY KOA DIA EFA TENA MAKOVISY LAHY MIHINTSY.
IALAO TSINY KELY AO ALOHA RA NATIORA IDEALY A.
1) Indray maraina hono niainga ity rangahy, nilanja ny peniny fa tambanivohi-dahy moa ny tenany ary ny adidy aminy ankohonana tsy ahafahana mipetraka fa maniraka anao hitsanga an-tsitrapo fa tsy terena. (Angady, fa ny penin'izy ireo hoy i DAMA dia ny angady, ary ny cahier n'izy ireo dia ny tany amboleny).
Nony tonga teo amin'ity tany iray, dia namariparitra sy nanatsatotsatoka ny peniny teo, ary tsy nanaiky sy tsy niala teo raha tsy afa-nenina. (mila faritana hoe hatreto ny tany ho angadiana rehefa manao biriky na miasa tany : izay ilay hoe mizara asa)
2) Rehefa vita izany dia ningainy kely ny patalohany, ka naka bahana nisabaka tsara izy, niondrika kely ary nandray ilay fotaka efa voavolavola teo ary nanainga ny sandriny roa niaraka tamin'ilay fotaka tanimanga. (raharaha be io satria dia mandreraka tokoa).
3) Natontany mafy ho eo ambonin'ilay lasitra kely efa vita refy tsara (izay tsy maintsy atontona mafy mba hifatratra tsara ka eo no tena mahatsara na maharatsy ny biriky), ary rehefa vita izay dia nosafoiny tsara mba hiravona tsara sy hanala ny vatokely sy ny sisa manaraka ilay tanimanga dia napetrany tamin'ny toerana efa voalamina mialoha mba ho tony tsara.
4) Raha asa be ohatr'izany ny manao biriky dia mahafinaritra indray ny mijery azy rehefa iny izy mivelabelatra sy milahatra, moa va tsy toy ny fiarakaretsaka kely maromaro filalaon'ny ankizy irony e! (automobile biriky hoy ny ankizy izay) ary rehefa milahatra eo ireo ka maimaina dia atosiny ho eo aloha ny avy any aoriana ka atambany mba hipetrahany biriky avy ao anaty lasitra indray.
5) Vita izany rehetra izany indro kepaka sy vizaka tsy naharay tena ka sanganehana sy nihenahena teo ilay akama, miandry ny sakafo atoandro izay ho aterin'ireto zanaka, izay mieritreritra fa vary sy hena be no ho tonga eo raha toa ka hisy, fa ny any ambanivohitra any dia tsaramaso matetika ary raha tsy misy dia efa samy mivatsy vaingan-tsira any an-tsikinany any ny tsirairay, fa ny vady moa tsy afa-miala fa tsy maintsy mamita ny raharahany any an-tokantrano sy any an-tsaha rehetra any ka tsy mba hanotrona eo.
6) Tonga ny hariva, tsy maintsy mody fa ny devoir na adidy aman'andraikitra tsy maintsy atao any an-tanana tsy maintsy efaina, dia mampiditra ny omby, maka rano sy maka kitay, fa mbola kely ny ankizy ka ny manati-tsakafo ihany no hany mba vitany. Ary tsy vitan'izay maka kitay sy mantsaka fa tsy maintsy mbola mampiditra ireo akoho sy mitoto sakay, satria io sakay io moa betsaka maniry eo an-tanana ka raha hohanina amin'izao efa mankaleo fa ny totoina somary asiana tongolo gasy sy sakamalaho kely no ankafizana azy.
DIA TOY IZANY RY ZAREO NO MANAO BIRIKY FA NY MANDORO AZY IO KOA DIA MBOLA TANTARA BE A. 50 metatra miala ny tanana no tokony andoroana azy io raha ny lalana napetraky manan-kery, hihihi. hahaha.

ANDRIAMASIMANANA ANDRY. (fb.andriamasimanana andry. sombin-tantara sy tononkalo)
--------
Rohy:
Sokajy : vazivazy - tantara - Fitiavana
1466 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104