NOFY TENA NIAINANA (ANDRIAMASIMANANA Andry)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ny voahariny tontolo,
no mampiray antsika,
na dia lavitra aza enao,
dia toy ny eto anilako,
fa ny volana io,
mizara ny hazavany,
sy ny masoandro io,
mizara ny hafanany,
dia ikambanantsika,
ary ny rivotra malefaka,
mitsoka..mamelombelon'aina,
dia mbola iraisantsika,

ny alina mangina,
mitondra fitoniana,

akimpiko ny masoko,
ka io fa mbola hitako,
ilay endrikao,
feno tsikitsiky,
toy ny hosodoko,
vita nanahary,
tsy hay alain-tahaka,

manokatra ny voaly,
manatona hanoroka,
sy hitondra safosafo,
amin'izato akanjo fotsy,
manify dia manify,
ka mampiseho miharihary,
ilay bikanao,
tsy manam-paharoa,

hay nofiko 'lay izy,
fa toy ny tena niainana,
ka nanaitra ahy,
tao anaty torimasoko,
niaina fahasambarana,

nitsipalotra ny masoko,
ka indro fa hitako,
nivoha nitafitafy,
ny varavaran-kely,
nahatazanako n'i voahary,
nandrakotra ny alina,
dia kintana sy volana,

ary SAKA ALINA fodiana,
namoha ilay varavarankely,
io ilay SAKA NY ALINA,
ilay sakakeliko,
mamiko tsy foiko,
sakaiza mahatoky,

nefa nony avy eo.........
nakimpiko ny masoko,
ka indro mbola tazako,
ianao nanao veloma,
sy nanoroka ahy,
ary niteny moramora,
mbola ihaona indray..

ANDRIAMASIMANA Andry (Andry 1000)
--------
Rohy:
1866 1
Mpakafy: Melaniejessy78
Hevitra mandeha
Noelson Andrianiaina ( 24/05/2017 16:10)
Tsara be a.mankafy ny asa soratrao mihitsy aho
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138