sarobidy loatra amiko (ANDRIAMASIMANANA Andry)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tsy azo tanana mihintsy,
'ty tanako hanoratra,
hanambara zava-misy,
hitanisana teny vitsy,

fa misy olona iray,
sarobidy aminy fiainako,
ka mahatonga ahy hitroatra,
sy hieritreritra mihoatra,

fa ny masoandro io hilentika,
ka hiposaka ny ampitso,
ny tetiko izay tsara voatra,
ato am-poko tsy miloatra,

fa tena tiako sady mamiko,
sarobidy ianao ry zanako,
ka tsy atakaloko mihitsy,
rendrarendra vitsivitsy,
--------
Rohy:
Sokajy : Fianakaviana - Fitiavana
1630 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109