TARAIKY ALINA TARA "BUS" (ANDRIAMASIMANANA Andry)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
indro mipaika ny amin'ny valo,dia efa tsy tazana ny mpandalo,
ankavitsiana ny eny andalana,
ireo mamomamo, sy diso lalana,
------------------------------
mangina kely ny arabe,
fa ny alika no tazana sy mandeha,
ireo olona sisa mba vitsivitsy,
tena tsy miherika na mitsiky,
------------------------------
kanefa izao dia taraiky bus,
ny taty am-paosy koa, tsy mba nisy,
dia mba nantsoina ireo olom-bitsy,
fa iray lalana izao mihintsy,
------------------------------
kanefa ireo dia, nihaminkamina,
mody fanina tsy nandamina,
dia nosongonako vetivety,
nasiako hazakazaka tsisy fefy,
------------------------------
tonga teo amin'ilay sampanana,
dia nandinika teo ranamana,
hiankavia sa hiankavanana,
toy ny olona tsy zatra lalana,
------------------------------
dia nandroso mahalankalana,
nitsapatsapa izany tanana,
kanjo voasaringotr'ilay hazo,
ka tavela sy nihazohazo,
------------------------------
elaela vao tonga saina,
ka saika afaka hatramin'ny aina,
nihorohoro sy nihovitrovitra,
tera-tsemboka sy nangovitra,
------------------------------
tsy maintsy handalovana ity fasana,
ka sady mandeha eo, no mivavaka,
anefa ny andro efa ho amin'ny folo,
izay fivoahan'ny vorondolo,
------------------------------
dia nisy nihetsika teo aloha,
ka indro fa nihorona ny hodi-doha,
ny ao an-tsaina efa hoe : nenitoa,
k'efa tena nampivadi-po,
------------------------------
hay taratasy nisiditsidina,
notsofiny rivotra ka niridana,
efa nivadika ny vô-maso,
fa ho voajapy sy ho voalako,
------------------------------
henjana lahy zany mody alina,
ny saina domelina fanimpanina,
kanefa ho tapitra izao ny ady,
f'indro misokatra ny vavahady,
------------------------------
ny teny an-dalana no efa vita,
fa i rafotsy hikitakita,
ny taim-bavany tsy ho mora,
fa dia tapitra eo ny rora.......
------------------------------
amin'ny manaraka aleo tohizana,
fa ny tenako efa vizana,
ny ady tsy vita ao an-tokantrano,
mampidi-doza sy angano..........
------------------------------
ANDRIAMASIMANANA ANDRY
--------
Rohy:
Sokajy :
Hatsikana - vazivazy - Malalaka - Ady - tantara - Eritreritra mandalo - fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
Mpakafy:
andry 1000
Hevitra mandeha
Hatenaina
(
09/11/2018 14:33)
Mahita lazaina mihitsy ianareo itony !Ataovy ihany ny mody alina e!Tena tsara kosa aloha ilay izy e!mampitsikitsiky irery 😊
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : ANDRIAMASIMANANA AndryNampiditra : andry 1000
Daty : 15/10/2018 05:57