TENY MALAGASY (ANDRY KANTO MENDRIKA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hiezaka aho hifantoka
Hatrany ampara-hatoka
Hantenaiko hatrany
Tsy ho lany mamy

Fa hitoetra foana ihany
Izany teny Gasy izany
Dia vonona aho hitia
Sy amboraka fitia

Hilaza sy hanambara
Ary koa hitantara
Ry taranaka amam-para
Ny teny Gasy anie ka tsara

Andeha isika tsy hanjoretra
Ho lovan'ny rehetra
Dia hitoetra foana ihany
Izany teny Gasy izany

Tsy ho levon'ny fotoana
Fa hitoetra eny foana
Raikitra ao an-doha
Lasa ho filoha

Hitarika an'izao rehetra izao
Ho sakaizanao
Ilay teny Gasy nantenaina
Sarotra simbaina

Na misy mikasa hamotika sy handrava
Ny teny Malagasy hitoetra lalandava
Na hitobaka ny hiakam-pandrosoana
Ny teny Malagasy sarotra hadinoana

Ny teny malagasy dia tenin-dreny
Ho lovan'ny taranaka vao mianatra miteny
Hantenaiko hatrany
Tsy ho lany mamy.

Ny teny Malagasy.
Mahery toy ny basy.
--------
Rohy:
7 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ANDRY KANTO MENDRIKA
Nampiditra : AKMKT
Daty : 14/05/2026 12:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0175