TANATY TONONKIRA (AORN)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay hira nankafizinyNanjary latsa ho azy
satria lay olon-tiany
nanaraka an-tsakany
izay rehetra voatantara
tanaty tononkira
lay fihainony fahiny
no lasa irikiry
ka rehefa injay ilay hira
mandeha an'onjam-peo
aronjony ny lohany
tapenany ny sofiny
satria marary azy
ny hafatra mafaitra
tanaty tononkira
'lay mpanankanto mpihira
no lasa fahavalony
ka tonga ankahalainy
hatrany an-kitrokely
satria mandrangitra azy
lay hafatra nafonja
tanaty tononkira
AORN
17 JONA 2024
--------
Rohy:
Sokajy :
Alahelo
Mpakafy:
rina15
