Ampidiro aloha ny tenimiafina
An'ialahy ny an'ialahy (Ari Ira)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
An'i dadan'ialahy sa an'i nenin'ialahy?Rarahian'ialahy inona?
Moa ialahy tsy efa vazaha?
Angaha misy dikany amin'ialahy izay harem-bakokay?
Handoro azy aza ataon'ialahy,
mba ho potika sy ho may
Dia mihevitra ve ialahy fa ho afa-maina amin'izao?
Angaha adinon'ialahy fa misy tody izay atao?
Ny habibian'ialahy nandoro ny sisa anananay
no hanaikitra an'ialahy, hanasazy sy hanafay...
Ho an'ireo tsy valahara nandoro ny ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
--------
Rohy:
Sokajy :
tantara
