tiako ianao rahavako (arimalala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tohina ny fo raha hamaly
Mbetika toa faly
Tampoka sadaikatra...
Moa ve mendrika ahy ny fitiavanao
Ka ho sahaza ahy ny fanomezanao?
Nefa raha ho fanomezana an-tery
Aoka ihany tsy ho tsiny!
Ndrao tsy mitondra soa ka
Ho zary fombafomba ihany
Raha ho fitiavana indramina,
Aza atolotra ahy akory

Raha mba fantatrao ry tiako
Fa n'inon'inona ilainao
Raha mbola azoko atao
Hoefaiko sy hiafiako satria
Tiako ianao rahavako!

Hotolorako hiainanao doria
Izay zavatra hany ananako
Hamoronako ny tsisy,
Hitadiavako ny tsy ary satria
Tiako ianao rahavako!

Tsy hampaninona ahy ny reraka,
Tsy ahoako ny ho trotraka
Raha ho anao ry notiaviko,
Tsotr'izao tsy miambatra satria
Tiako ianao rahavako!
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1888 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : arimalala
Nampiditra : ari.malala
Daty : 27/02/2008 06:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098