Saika tsy zakako. (Arisons)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Saika tsy zakako.
-Mafy tamiko taty aoriana.
-Ny fahenona ny mombanao ry tiana.
-Hoe ianao andeha anadino sy hamafa.
-Ny amiko satria oe efa nahita olon-kafa.

*Eny, saika tsy haiko intsony niaina.
*Hamefeko ny filamin-tsaina.
*Izay efa nikorontana tanteraka.
*Ny mbola nahare fa ianao efa niteraka.

-Mbola marary amiko foana ankehitriny.
-Ny hany sisa hatsiarovako anao ireo fahiny.
-Izay niarahantsika roa nikolo.
-Nefa indrisy ianao tsy ho ahy fa efa any an-tanan'olo.

*Tsy adinoiko anefa ny lasa taminao iny rehetra.
*Fa atramin'izao mbola miaina ato anatiko mitoetra.
*Na dia ny momba ahy aminao aza tsy haiko raha efa voafafa.
*Fa ianao amiko aloha dia sarom-boafafa.

Mafy fa tsy maintsy vitaiko......✍️
Arison, 11-03-2024
--------
Lien:
88 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0118