Sarotra...! (Arisons)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sarotra...!*Sarotra ny miaina,
*Amin'izao satria maro ireo mitaraina.
*Vokatry ny fandrio fa lavo.
*Mahazo ireo mavomavo.
-Sarotra ny mifaly.
-Satria mbola be ireo mijaly.
-Ateraky ny fijaliana.
-Noho ilay tsy fisiana.
*Tena sarotra hoy ahy.
*Fa toa nanjary niboridana ilay fanahy.
*Izay maha olona ny olona.
*Hiavahany amin'ireo tsy tonona!.
-Sarotra ny fiainana amin'izao.
-Na dia miova hatrany foana ary ny taona ho vaovao.
-Hoe hamafa ilay fahorina.
-Kinanjo vao maika mibahana izy io ary tsy hay lalina.
*Tsy vitsy anefa ireo mitady.
*Mba handreseny anaty ady.
*Ny hilofosany dia ny mba ho tafa.
*Nefa toa zary ezaka ho an'ny hafa?.
Izay no hilazana fa:
-Sarotra ny miaina letsy.
-Satria betsaka ireo mpifetsifetsy.
-Mamitaka etsy sy eroa.
-Eee! tsy hita fa maro toy ny tain'ankoho!.
Arison, 10-08-2023
--------
Rohy:
Mpakafy:
Arisons
