TSY AFA MANOATRA (Boyanjah.RZ)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nanjary aretim-po ho ahy
Ny nahitako anao niserana
Nambabo fo saina fanahy
Tonga fitia tsy azo ferana

Kanefa indrisy tsy ho tafita
Fa faniriana ihany izany
Tsy afaky ny hifankahita
Sarahin'ny elanelantany

Indrisy! tsy afa-hiara iaina isika
Fa dia samy hilalao irery
Hiafy na dia mangatsiaka
Fa tsy afaky ny hifam-pijery

Mijanona ho tantara ihany
Ilay fo saika hifameno
Tsaroana foana hatrany hatrany
Na dia hamokatra alahelo
--------
Rohy:
1372 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Boyanjah.RZ
Nampiditra : Boyanjahnah
Daty : 23/04/2017 06:13
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102