mandrapihaona (cedarf)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
lasa tsy nahafoy, ka natao an-dranomaso?ho am-pitan-drano ihany ka tsy ho tazanao ny anio,
kanefa, mbola hiverina ny tianao fa andraso!
aza kivy anefa fa izao no tadidio:
ny zavatra efa vita, na vao niatomboka aza,
tsy hofaranana sahady f'aza atao mampitomany;
fa any lavitra any aho ndrao hivazavaza,
hitabataba mafy ny anaranao hatrany,
ka hanjary hitomany.
ny anaty fonao tsapako, toa iainako sahady!
kivy ianao fa fantatro, torovana ara-tsaina;
raha toloko sy toreo anefa no hoentinao hiady,
ho resy ianao kanefa tsarovy sombin'aina:
raha sendra ka irery takariva ianao ry tiako,
ka mitara-mena ho anao ny fahazavana;
fanilo avy ato am-poko sy fitia izay nofidiako
fantatro hoe anao, ka noezahako noalĂ na.
--------
Rohy: