ny poeta (cedarf)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
poeta malahelo sy vesarin'adin-tsaina
tambazana hakiviana sy sento mankadiry
no sary mby mipaka anaty ka isaina
ny sombi-kafaliana, sisa , voatahiry.

poeta adala foana, te ho tompon'ny tontolo
hamangy indray miserana ny tany boribory
hanao fafy katrana ny tsiky bobongolo
hamboly vetsom-po, trotroka sy ory.

ny poeta angamba, mikendry ny hitomany
tojo fahasambarana anaty sentosento,
mamanton'alina iny, no tena be vinany
ny saina lasa lavitra, tsy mijanona ela eto.

f'izaho ankehitriny, te hiala vetivety
te hievaeva eny antendrombohitra eny
hibanjin-kafaliana ny ho avy ka tsy mety
ho voahitsaka intsony ny tsiky zay nekeny.
--------
Rohy:
432 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : cedarf
Nampiditra : cedarf
Daty : 23/03/2023 01:49
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101