TENA TIA (DADAFARAtolotra)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Asa ngamba raha tsikariny
Fa dia noroako ny sariny
Babo loatra izaho angamba
Dia tia tsy nanana hambahamba
An'izay olontiako izay !

Na sasakalina matory,na divaharaina vao mifoha
Dia tafahanika tamboha
Midongy mafy ho eo anilany, hamboly saha sy zaridaina
Hatrany amparam-pofonaina
Dia izy foana no malalako !

Voahidy ny voady, voafefy koa ny dina
Fa Izy irery tsy hanampiana
Ilay afa-migalabona, ao anefitry ny foko
Sady rano ka sotroiko
Hamelomako ny aiko !
--------
Lien:
47 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0116