Ampidiro aloha ny tenimiafina
ILAY MASOANDRO (LAVENONA)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY MASOANDRO Dify ilay masoandro nanazava hatrizay
Fa tonga ny hariva izay tsy maintsy hialany
Ka manomboka eto dia toeran-kafa indray
no ho hazavainy sy omeny ny hafanany
Lasa ilay masoandro ka ny alina no solony
Arahin'aizim-pito sy ny akon'ny jorery
Hany ka mangina sady gina ny tontolony
Nilaozana hazavana ka manjonitra irery
Iny tara-bolana iny ,izay tandindonao
Ry masoandro o! Avelao hijanona eto !
Fa iny no mba hany hahatsiarovako anao
No sady fanafodiko hanafaka ny sento
Betsaka ny vitany ka tsy afaka levonina
Tsy aiko hofafana fa miraikitra ao an-tsaina
Tsy afaka manoatra ka hiezaka aho hionona
Fa mbola hiaona isika rehefa tonga ny maraina .
LAVENONA
--------
Rohy:
