Ho anao (Djaw)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raisiko ity penina mba hanoratako,
Ho anao ry lala, dimbin’ny aiko,
Ity fifanekena, eto anatrehan’ny lanitra sy ny tany,
Izay fifamatorana matotra, tsy misy hanihany.

Ny fitiavan-tenako rehetra esoriko,
Asoloko ny fitiavako anao ry tiako,
Fitia izay tsy manan-tsahala, tsy asiako fepetra,
Izay anolorako ho anao ny androm-piainako rehetra.

Tsy hampanantena ho anao ny volana, na masoandro aho, ry zanako ;
Fa kosa, hizara aminao izay mba tara-pahazavany ananako.
Eny na dia ho maloka aza ny androko indray andro any,
Ny hany mba kely hazavana homeko anao, ny haizina hotazomiko ho ahy irery ihany.

Hahatonga anao ho olom-banona no faniriana,
Hahatafita anao eo amin’ny fiainana no tanjona,
Izay ataoko ho laharam-pahamehana abonin’ny rehetra,
Izay itovizako amin’ireo Ray aman-dReny rehetra.

Izay sy izay no hafatra tiako ambara,
Teny vitsy, fanamby omeko anao ry menaky ny aiko ;
Izay tsy maintsy hataoko sy ho tanterahiko.
Ka aoka ity soratro ity no hitsara ahy any afara.
--------
Rohy:
Sokajy : Zanaka
2038 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101